<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa FFPM179</title>
<lyrics>[V1]
 Ny Fanahy Masina efa tonga
 tokoa,
 Mba homba ny mpitory Teny
 mahasoa.
 Koa mitsangàna izao,
 andeha ry mahery fo,
 Hatramin'ny faran'ny tany,
 Torio ny Teny soa !

[V2]
 Voasaron'aizim-pito ny
 Nosinao ;
 Ny ody sy ny sampy no
 notompoiny tao ;
 Ny fahazarana koa, nangeja
 mafy tokoa,
 Kanefa tonga ny mazava :
 Resy ny aizina ao.

[V3]
 Ry fanahy voatafy hery,
 ny Tompo anie
 Ka efa miandry anao,
 injay miteny hoe :
 « Angony, eny antsoy,
 hanatona avokoa
 Ny firenena eran-tany,
 Ho mpianatro tokoa ! »

[V4]
 Tompo tia ô, ekeko ny
 antsonao ;
 Hafoiko ny hareko,
 ny tenako izao,
 Ho vavolombelona, hijoro,
 hanafaka,
 Hitory sy hamafy koa ;
 Tafio ny herinao !</lyrics>
<hymn_number>179</hymn_number>
<author>G. Ramiarison</author>
</song>